Hevitra momba ny Misy any ho any

Hiverina amin'ny Misy any ho any
kiriah ( 09/08/2011 20:50)
Fa manaiky mintsy zah amin ilay drafitra nanaovanao azy ety amin ny faraparany ety,
Zozoro ( 10/08/2011 12:37)
Raha mbola tany koa ny tany...
Ny fitia dia eo hatrany
Tsy azon'iza ho fefena
F'izay ho vokany hekena
Ny lalany tsy fantatra
Fa dia mifono ankamantatra
Anio ianao omeny tsiky
Ampitso fenoiny tomany...

Ny Fitia dia Fifaliana...
Ary koa Fijalina
Nefa irina sy ekena
Fa natiora ao amin'ny tena.
Tsy azon'iza hotoherina
Raha hitombo na hitamberina
Fa izany no lalàny
Raha mbola tany koa ny tany

Irina maha ory
satria Fitia mahalina...

Nofy2 ( 22/09/2014 12:03)
Ny endri-pitiavana


Raha toa ka ny tiana no tojo ny tia
Ka mifampitantana,miara-dia
Na iza na iza no sendran’izany
Mahatsapa fiatiavana mamy dia mamy


Raha toa ka ny tiana no miseho mankahala
Mitsoaka ny tia,mitady hiala bala
Na iza na iza no sendra fandavana
Mitady,mikaroka,miantso fitiavana


Raha toa ka ny fo voafita-pitia
Rava kanefa niriana ho doria
Na iza na iza voadoana ny fony
Dia lasa tsy mieri-pitiavana intsony


Raha toa ka ny fo maro tiavina
Ekena daholo tsy misy ny lavina
Na iza na iza miseho maro lafy
Tsy ampy fitiavana ka dia mandrafy


Raha toa ka izy roa tsy mety hifanaraka
Kanefa tsy mihevitra izay hoe hisaraka
Na iza na iza voasedran’izany
Mararim-pitiavana ny any anatiny any


Izany sy izany no endri-pitiavana
Mamy ,mangidy tsy maintsy lolohavina


Nofy2
03 septembre 2009
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0103