NY FITIA (raozymanga )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy i neny mangina sombinaiko
Mangina sy mitonia ry silaky ny aiko
Fantatro fa sarotra tokoa izany hoe tia
Fantatro fa zava-baovao aminao ny fitia

Kanefa tsarovy sombinaiko
Fa raha toa ho anao dia ho afoiko htaramin’ny aiko
Nefa indrisy ry malala zava-tsarotra ny mitia
Mbola ho lava sy ho sarotra ny dia

Efa nolalovako avokoa izaho rehetra izao
Efa nitomany koa aho ho an’ny rainao
Kanefa ao anatin’ny ngidy no misy ny mamy
Ny fitiavana tsy maintsy lalovanà tomany

Koa mangina sombinaiko tonio ny fonao
Atrakao ny loha ary fafao ny ranomasonao
Sedra daholo izany ka matokia ianao
Fa rampitso dia andro iray vaovao
Mbola maro ireo ho atsoinao hoe malalanao
Indrisy anio mbola marefo ny fonao

Nefa kosa aza atao misakana ny fonao hitia izany
Aza adino fa miodikodina ny tany
Adinoy izy fa izay ihany sisa no azonao atao
Mitsikia ary amafiso ny sainao
Aleo izy andeha fa efa tsy anjaranao
Mitodia any amin’ny ho avy manomboka izao

Fantatro fa afa tokoa ny voaloam-pitia
Ho hitanao izany hoe ratram-pitia
Indray andro any koa ianao mbola amitaka ny olona tianao
Ka izy indray no hijaly tahaka izao
Nefa sombinaiko aza adino ity anatra ity
Tsy mba kilalao anie ny fitia

Araraoty ny atanoranao
Kanefa tsinjovy hatrany ny ho avy
Mba tsy ho nenina izany any aoriana any
Maro ny hadisoana vitany taminao
Kanefa anatry ny fiainana avokoa izao rehetra izao

Indray andro any ianao dia ahita olona iray
Iavaka amin’ny rehetra izy ka ampitsiky anao indray
Ha adinonao avokoa izao fijaliana izao
Izay no atao hoe fahagagan’ny fitia raha tsy fantatrao

Tsy mirediredy aho sanatria
Raha milaza fa tsara anie izany tia
Koa mangina sombinaiko
Mangina sy mitionia ry silaky ny aiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1295 0
Hevitra mandeha
nosimamy ( 15/04/2012 13:19)
tena ok be zany ranga a! milay e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozymanga
Nampiditra : raozymanga
Daty : 08/11/2011 21:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133