Io Fitiavana io (RATSIFA NANDRIANINA YVETTE dit RATSIFA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io fitiavana io hery tsy azo lavina raha Mbola eto an-tanyIo fitiavana io, izy no tadiavina raha mbola miaina ihany
Fa io fitiavana io, antom-pahavelomana
Io fitiavana io tsy maintsy hitolomana
Nefa Io fitiavana io, zava-mampijaly
Tsy fantatrao izay antony
Io fitiavana io anefa koa dia mamy
Raha iainanao ny hakantony.
Io fitiavana io fery tsy mba lefy
Aretim-po mihafitra mandravarava fefy
Io fitiavana io, mahaditsoka, mahajemby
Tsy hitanao soritana, mahery dia mahery
Io fitiavana io Fahoriana miery
Alahelom-po anatinao malemy
Io fitiavana io, izy no fanefitra
Ho an'ny fo mitia, nilaozan'ny malalany
Io fitiavana io hery mibosesika
Ho an'ny Tia sy Tiana, hikaloany ny hasambarany
Io fitiavana io tontolo midadasika ho an'ny rehetra
Io fitiavana io no lehibe indrindra, hery tsisy fetra.
RATSIFA FS
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
L160804
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RATSIFA NANDRIANINA YVETTE dit RATSIFANampiditra : RATSIFA
Daty : 02/06/2025 12:13
