Tena Fitiavana ! (RAZAFIMAHEFA M.Kelly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mieritreritra aho na mahita ny endrikao
Dia mahatsiaro fa babon'ilay hatsaranao
Ka raha miaraka aminao dia angamba tsy mety lao
Satria manjaka ilay fitiavana ao anatintsika ao
Amiko ianao dia tsara ary tena tiako
Ka tsy mba hatakaloko na koa hoe ariko
Sanatria amiko izany hisangy na koa hilalao
AVeriko ihany ary averiko hatrany fa tiako ianao.

Miahona aminao aho ka indro fa miresaka
Dia tsapako ao anatiko ao fa tsy mety reraka
Ianao mijery ahy amin' ny maso mamiratra
Hitako amin' izany fa tena mahafinaritra
Raha miaraka iska,angamba mety aharitra
Toa hitako eto sahady ilay fitiavana tsy mety tapitra
Faniriana ny ahy,izany angamba no mampitombo ny fitiavana
Mitanisa izany aho dia mahatsiaro anao rahavana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2537 1
Mpakafy: Tsi2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAZAFIMAHEFA M.Kelly
Nampiditra : Tsi2
Daty : 01/09/2012 08:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139