Ampidiro aloha ny tenimiafina
Misaotra nisy (RJ Myrai)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra nisy Maraina aho vao mifoha
Dia io ianao manoroka ahy
Miramirana ny avokoa
Ny saina ,fo, fanahy
Efa vita homana ao
Ny sakafoko enti-miasa
Indro aho areninao
Mba hisolo sy hisasa
Ny ariva indray raha taratara
Fa tratra fitohanana
Dia efa io ianao malala
Mitsidika eo andavarangana
Mantsy ianao mitaintaina
Sao naninoninona any
Tsy tafatombina ny saina
Miantso kely manontany
Ilay Reradreraka iny
Fa vizak’asa mantsy
dia efa vonona ao ilay siny
misy rano matimaty
mahahontsa ahy tokoa
ilay izaho mararirary
ianao no miasa loha
mitebiteby tsy tafandry
raha mandalo fahoriana
oriory, mitomany
eo foana ianao ry tiana
anilako eo manambitamby
rehefa sendra adi-tsaina
sempotsempotry ny fiaianana
eo foana ianao malala
mampihena fanaintainana
ianao no tokan’ny fisiko
ka dia misaotra nisy tiako !
RJ My’rai
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
HJMyrai
