TSIAHY AN'I DADA (RMFMandafeno)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIAHY AN'I DADANy lasanao rehetra de injay fa toa tsiahy.
Na fomba fifehezana , na anatra sy toro,
Mangoraka aok'izay ny anatiko tontolo
De....misento lalina aho f'hay ianao tsy ahy
Nindramiko ny hery, natolotr'ahy ny mpiahy
Niadana ny aty foko, fa teo ilay fefy tsara rary
Izay nanoha-drivotr'ahy, sy ilay andrarezin'ny akohonanay kanjo ...nanjavona ny sary
Taona ampolompolony no naha ahy anao rehetra,
Indrisy fa sengondra vitsy monja de ....
Tojo fara-fetra fa....
Azy anao ka ho'azy , tsy anilanay intsony
Fa...andeha hiala sasatra , hiakatra any ambony
Nanevoka maraina ny androm-pahavaratra,
Niadana aho nihanoka ilay hafanana lafatra.
Ny gaigainan'andro no nandomako ny lambako
Indrisy fa.. vao tolaka ny andro de ... Rahona no no anjarako
Tsy ampoizimpoizin'iny anefa de reko mitraotrao
Anaty raho-mainty ambony mitatao.
Lefitro sy haritro iny satria aho natoky sarotroko
Kanefa segondra vitsy monja de ....
Nisy tara-bolamena izay tsy naharitr'ela nanazava indray ny tavako.
Nandalo sy niserana iny dia maizina ny làlako,
Ny hany faniriako, sy tanjona kinendriko
Hamonjy ilay tanàna, ankanin-dray sy reniko,
Tamin'io fotoana io
Tsy tampotampok'iny, de nitsioka indray rarivotra.
Nihirahira koa i raravinkazo, ny mavony sy ny lazony toa mihataka aman-taho.
Mihitsana amin'ny lalako, sy ny tany mbola hombako, ampian'ny orana mitraho.
Ny hazo manontolo,nikopa-dravona avokoa.
Hetraketraky ny natiora va re...sa? Adinoko avokoa ny adidy aman-doloha,
Minitra no nisana taorin'io de .....
Nanomboka nifafy ny piti-drano vitsy
Nanaitra ahy mangina ka nandositra ahy koa ny tsiky.
Antso an-tarobia no hany sisa reko, nohon'ny fafifan'orana moa dia somary jambajamba
Hoe "MODIA IANAO ALOHA ANAKA FA NODY MANDRY DADA"
Ny hintsan-dravikazo nanakona ny vato hanafitohana ahy, mandavo sy mandatsa
K'hay ilay andry niankinako nanjary niongim-paka,
Ny fafifafin'orana; manirina ny maso sy ny fahazavako
Izaho rahateo mandia maika tsy mihato
Dia.....Toro ihany koa ilay vato
RMFMandafeno
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona
Mpakafy:
RMFMandafeno
