FAHATSARANA (Singam-pitia saropady)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
#FAHATSARANA ?

Soa fa saro-javona
Ilay maraina vao
Nahitako ny hendrikao
Satria...
Mety ho lasa babo aho

Soa fa saron-drahona
Ilay masoandro nibaliaka
Nanazava ny tontolo
Saika iharantsika
Hianoka hafanana
Satria...
Mety isika ho tamana

Soa fa dila tsy hita
Nalaky nanjopika
Ilay masoandro nidorehitra
Tery ampara-vodilanitra
Satria...
Mety isika ho halaim-panahy
Hitazana ny fodiany

Soa fa haizim-pito
No nanaloka nanindry
Ilay volam-penomanana
Saika iharahantsika hibanjina
Satria...
Sao isika ho variana
Sodokan'ireto natiora mandrotsirotsy
Ka... hiafara anaty nofy

Singam-pitia Saropady ❤️✍?
08-0126
--------
Rohy:
80 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Singam-pitia saropady
Nampiditra : SingampitiaSaropady
Daty : 24/01/2026 12:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0109