Ianao (stephan48)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrika miraikitra ao am-po,
Manintona ny saina
Nefa mankarary an-doha

Ianao ilay voalohan-tiana
Nitsirian'ireo faniriana
Ianao no voalohan-tsakaiza
Tsy namela ahy irery, n'aiza n'aiza

Tsaroako isan'andro
Maraina, antoandro ary hariva
Ilay teo ambodi-hazo
Tsy hadinoko mandrakariva

Ianao,
Ilay olona nanohana
Ianao,
Ilay olona tsy nanary
Ianao,
Ilay tena anjarako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
332 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : stephan48
Nampiditra : stephan48
Daty : 12/03/2023 15:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099