Indray androany (T'Bingy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valala misidina Mitady ny hanin'mba hoanina
Ny eto dia sahan'pary midadasika
Feno sokina mankadiry tanana,
Tanàna somary kely,bitika
Nefa matetika feno hazavana
Mandrotsirotsy matetika ny soratra
Manaraka ny fidobokin'fo,
Manoratra eto aho
Fa matetika misy ambara,azo ambaraina
Momban'ny..
Androany,Rahampitso
Tsy fantatra..izay hiafarana
Fa ny misy aloha efa tantara
Enganie ny rivotra hitondra amin'ny fanahy tsara
Na dia miodina isan'ora ary ny tany
Ny ahy navadiko foana pejy
Satria mbola bobaka ny tasitara
Mahakasika ny Gasikara
Vitsika mitady zava mamy
An'tany lavitra
Sendra tantely ka mibitaka tsara
Ny jorery variana misioka
Miandry ny maha mpanakanto azy,
Aleo tsy mifampijery tandrify,
Fa ny an'tena no atao tsara
Kakazo mahintsy
Tsy ho very mandeha
Na tsy mifantina aza ny mpaka kitay
Mahay manavaka ihany
Tsy mitsahatra miezaka ny tanora
Mamboly any anaty tany lonaka
Fa mazàna ny saha mihitsy no feno dahalo
Tsy zoviana amin'ny maro..
Dia rehefa tonga ny fihotazana
Dia asainy mandoa vola
Fa hoe an'zareo hono ny tany...
Tsy mahagaga,
Raha toa ka..tsy maha vanona ny vokatra
Satria izay mamelana dia katsanana
Tohanana
Tsy avela andravaka ny tanindrazana...
T'Bingy
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Hevitra mandeha
hery
(
14/10/2024 13:51)
Ohatran'izao mihitsy ny tononkalo amboarin'i ChatGPT Lolll.
TBingy
(
14/10/2024 23:58)
Misaotra😅
hery
(
05/11/2024 16:09)
Eto ihany ianao dia aleoko hadihadiana kely fa mahafinaritra izany miresaka amin'ny mpanoratra tononkalo izany.
Inona tsara no dikan'ilay lohateny? "Indray androany" sa "Indray andro any" ? Samihafa mantsy ireo nefa mitovitovy ny fanononana azy.
Inona tsara no dikan'ilay lohateny? "Indray androany" sa "Indray andro any" ? Samihafa mantsy ireo nefa mitovitovy ny fanononana azy.