TANTARA LASA IZAY......Atolotra ho an'Ny Andri-Fara . ( Album Aina Nafindra ) (Tolontsoa Ulriche)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARA LASA IZAY

Tola ihany 'lay fitiavantsika
Raha noheverina haharitra .
Tola ihany tsy finaritra ;
Tola saingy tsy tarehin'antitra .
Fa tola azo havaozina ,
Tola , nefa nofohazina ;
Sitrakao ve izany...?
Mbola haharitra ihany ve ny amintsika ?

...Dia mba hanoratra
Ho anao ihany koa ry taniko ;
Hampiroborobo 'zany teny malagasy ,
Hanandratra avo ny maha malagasy ,
Fa ireny mantsy no anisan'ny tena mamiko ;
Ho mpiara-miombon'antoka...,
Hizara ny haren-tsaina ,
Nomen'ireo razana taloha ;
Hanambara ny hankatonao ...;
Ry Nosy Gasikara maminay .
Hofampandrosoana ny kolontsainanao .

Fantatro fa...
Tsy haharitra indray
Ity fiarahantsika ity .
Tsy aharitra indray...,
Fa ho rava foana ihany !
Toy ireo 'zay nifankatia ...,
Ireo talohantsika
Ireo talohako , talohanao...,
Dia tsy haharitra indray .

Aleoko milaza izany
Fa manantena ihany aho .
Tsy tiako ho poakaty !
Nefa no nilazako izany ...,
Fa izay no hiazonako ny foko ;
Tsy hamoy fo...
Fa tsy aharitra ny antsika...,
Fa hovoasokajy ....antsoina hoe :
" Tantara lasa izay ...."




25.11.05 Tolontsoa Ulriche
--------
Rohy:
67 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tolontsoa Ulriche
Nampiditra : SANAKERIB
Daty : 16/09/2024 09:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195