Dia ho maizina ve zany lalako (Topaze)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takon-drahona mbola maraina
Ilay masoandro natao hanazava
Hanamaivana ny adin-tsaina
Hampahery ny fo lalan-dava

Dia ho maizina ve zany lalako
Ka ho zary eritreritra sisa
Ilay salovan'ny olo-malalako
Tsy hay vidiana na dia an-tapitrisa

Dia ho maizina ve ry malala
No hitetezako ny onja maria
Ka hamakivakiako ny ala
Hitrotroako ilay fokely tia

Toy ny jamba manao vikin'alina
Hazakazaka an-dalana tery
Ka hiantefa amin'ny hantsana lalana
Na tsy maty aza angamba ho very
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
770 0
Hevitra mandeha
alicie ( 11/03/2014 11:16)
Io tonon-kalo io dia hitako tamin'ny gazet Malagasy mpiseho isan'andro tamin'ny taona 80 tany ho any.
Tiako ilay tononkalo ka atolotro ho anareo rehetra eto
jiya ( 11/03/2014 13:27)
tsara b no sad tiko ! mankasitra eee!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Topaze
Nampiditra : alicie
Daty : 11/03/2014 11:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131