Vavaka (Namby)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray o, mangataka aho androanyTsy ho ahy nefa f'ho azy irery ihany
Raha sitrakao,ekeo ny fiangaviako
Satria izy ilay mba nosafidiako
Hitanao ny fiainany
Tsisy miafina Aminao
'Reo jaly, faniriany
Kinasa tiany hatao
Mivavaka aho, Afao! Tanteraho!
Fa ny tena faniriako, lalina indrindra
Aoka re ny fony mba ho fonenanao
'Zay rehetra tiany, tsy handeha alohanao
Ka ny aminy tontolo, ho Anao doria
F'Ianao Irery no hany tokin'ny fitia.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
mi-tsou
(
23/08/2013 13:50)
Manao ahoana daholo,
Tiako raha mba mahazo ny hevitrareo, tsikera, sns... zah @ tononkalo izay nosoratako
Misaotra mialoha.
Tiako raha mba mahazo ny hevitrareo, tsikera, sns... zah @ tononkalo izay nosoratako
Misaotra mialoha.
Skual.R
(
24/08/2013 13:07)
tohizo fa tsara e!
Nofy2
(
04/09/2013 08:23)
ho tanteraka anie zan fanirinao zan!