AZA... (Tsikia Fitoky)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA…
Aza hitomaniana ny masoandro efa lasa
Dia aza raharahiana ny vita sy efa kasa
Navalon’ireo andro nandalo teny ho eny
Ny ho avy indray banjinina

Eny…tsy maintsy hiserana ny tsiaro
Ireo zava-nifangaro tamin’iny omaly iny
Fa ny sainao koa amboaro tefeo hahay hionona
Dia…aza asiana monomonona izay zavatra efa vita
Fa:
Tsy iny ihany akory ny masoandro hiposaka eto
Mbola hisy indray rahapitso.
Hisy taratra hazavana sy hery manafàna
Omen’il ay joharin’ny maraina vaovao.
Fa ny anio aloha:ny alina eto hatreho

Dia aza hitomaniana izay masoandro lasana any
Aza arahina alahelo sy handefasana vinany
Fa,mbola hipody ihany io rahampitso vao maraina
TSIKIA Fitoky 06 Jona 2021 ANDRAHARO
--------
Rohy:
Sokajy : Fankaherezana
127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikia Fitoky
Nampiditra : FitokyTsikia
Daty : 14/04/2026 08:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0209