Commentaire à propos de Tsikinao omena

Revenir à Tsikinao omena
raozigasy ( 31/12/2008 10:27)
TSIKY FANOMEZANA

Eny efa niomana aho, ary alina aza, tsy nahita tory
Ilay loha nifamaho , sahirana toa zaza , feno sorisory
Hoe inona no atao , atolotra ho anao , amin ny andro anio
Fanomezana vaovao ? fitafy, kilalao ? mampiasa ny saiko io

Dia lasa teo ny saiko, nihevitra izay mety , atao fanomezana
Ilay fanahy moa nibaiko, hoe noho ity andro fety, teny atao fehezana
Moa ianao nanoratra, tao an-tserasera , hoe Tsiky moa dia ampy
Ka ilay aingan ny mpanoratra, tsy mba nitavera, fa tonga dia niantsampy

Koa noho ity fetinao, taona nahaterahana, dia izao no teny ambara
ho lava andro anie ianao, ho mamy ny fiarahana, ilay dimby ho tonga tsara
dia Tsiky no hamenoako, ny ambiny rehetra , toy ilay voalazanao
ilay Tsiky avy ao am-poko, tsy mba misy fetra, no aTsikiko aminao

ilay Tsiky tena marina, avy amin ny sakaiza,namana, rahalahy
ilay Tsiky izay mpanarina, ireo tsy afaka ho aiza , raha sendra ny tsy nahy
ilay Tsiky tsy amboletra, fa an-tsitrapo, fifanaovantsika
ireo Tsiky rehetra rehetra, ireo vokatry ny fo , ireo Tsikitsikintsika

dia mbola Tsiky ihany , no entiko mamarana , izato sora- tanana
ilay Tsiky mihanihany, zary fahazarana , veloma indray ra-Namana

maeva74 ( 15/06/2009 07:10)
Ilay tsikinao dia ampy hataoko souvenira
fahamarinana ( 15/06/2009 07:22)
marina tanteraka e ! Misaotra sefo o !
oracle ( 07/07/2010 14:19)
TSIKY, TSIKY fotsiny ihany
tiarah ( 08/07/2010 06:27)
kanto ery ilay hoe "Izay! tsikinao de ampy"
pisokelinah ( 09/10/2010 08:04)
eh mameno ny fiainako ny tsikinao!!!ampy ahy zay tena feno be e!!!tsiky dia ampy!!!
rakhaba ( 13/03/2013 10:11)
siky iray omena
ireo izay mifanena
sy olon-tsendra anao.
Na fantatra na tsia, tia na mankahala
Sakaiza, mpiara-dia, fahavalo na malala
Tsiky ho an'ny olona izay hitanao rehetra
Akama vaovao, olom-patatra etsetra
prosper15 ( 24/11/2016 08:00)
efa nomeko a!
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096