...Any ianao malala... (TSIVERIMANDEH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...Any ianao malala...
Any ianao malala,lasa tsy hiverin'eto.
Andro maloka no nahitako anao farany ,iny alin'iny.
Tsaroako daholo ireo lasantsika ka naha velon-tsento.
Ranomasoko tsy tana anio ka nahafeno siny.

Malala a! Any ianao any.
Voahitsakitsak'ireo pamosavy sy mahery fanafody.
Any ianao rahavako, any ambanin'ny tany.
Aizipito no iatranoanao rahefa mody.

Any anaty hady no niafaranao ry mamiko
Taolan-tsy afa-miresaka no namanao ao.
Ilay tononkiranao no indro indramiko.
Dia ny hoe:"ho faty aho ary ho faty ianao"

Raha ny faniriako dia ho eo anilanao.
Saingy ianao mivalapatra tsy afa-milefitra.
Sady voarakotra reo lamba fotsy vaovao.
Ka tsara levenana re a! Aleoko aho mandefitra.

Tsy maintsy mandefitra satria ny faty tsy hovoatohitra.
Na dia mangidy tsy zakan'ny saina sy fo.
Na antanan-dehibe na ambanivohitra.
ho toa anao ry tsy foiko,samy mbola ho lo.
TSIVERIMANDEH
02 Novambra 2016
--------
Rohy:
1074 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIVERIMANDEH
Nampiditra : TSIVERIMANDEH
Daty : 12/05/2017 11:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096