SombiNY (Vetso Fanantenana)

Nantsain'i Vetso Fanantenana
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao anatinao misy sombin’ny Mpahary
Afaka mandrary ny Paradisanao
Afaka manenona tontolo lavorary
Dia ho zary zavaboary izay nofisinao

Ka misia hoe ny nofy dia ho nofo ny nofy
Ho toy ny zaza menavava na ny vady tsara fofy ...
Mikarakara anao tsy harofy
Na hisy aretina hifofo

Ao anatinao misy sombina Mpanazary
Tsy manary ..., fa manarina ny vintanao
Afaka miaro ny herinao mihary
Dia tsy inona fa ny hasin’ny ny asa vitanao

Ka tsy hiandry anjara sy lahatra, volana sy kintana
Fa ianao mikiry tsy mitsahatra manilika ny fintana...
Miasa kintankintana
No mahatsara vintana

Ao anatinao misy be malabary
Afa –manajary ny tanimbarinao
Afaka miasa afaka mihary
Dia ho ririnin-dasa ny mosarinao

Ka tsy hisy intsony tondro-molotra aminao ilay mafiady
Fa ho vokatra ny tolotra hamaly ny tinady...
Dia raiso ary ny angady
Satria ianao dia vonon-kiady

Ao anatinao misy sombin' ny mpamorona
Afaka miorina amin' ny asa famoronona
Afaka miketrika tetika fanorona
Ny sainao mivelatra tsy afaka fatorana

Ka hanjono ao anaty toy ny mpanarato
Dia hirenty sy hiranty ny kolo izay voaranto...
Ho tontolon-javakanto
Mirindra sy milanto

Ka hoandairan-tsodrano, hoambinin-drary
Ry ilay Sombin' ny Mpahary , nosoavin -Janahary
Hikolokolo voary , hanohy izay efa efany
Satria ianao dia Zanahary...
latsaka fahefany
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
75 1
Mpakafy: ikalamako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vetso Fanantenana
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/11/2024 22:34
Antsantononkalo
Nantsain'i Vetso Fanantenana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2862