Ampidiro aloha ny tenimiafina
Misy Andrimanitra. (Vivaldi)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noharoharoin'ny fiainana mivadika,Nanary ny avo noheverina ho toky.
Noesoesoin'ireo avandavitra ka,
Nanadino ireo tenipikasana navelan'ilay Zoky.
Nesoriny antsaina f'izy zava-boary,
Na ory na salama dia namboarin'Janahary.
Nanan-tena ho zavatra ka nitsambiki-nikipy,
Very lalina tokoa vao njay tonga saina.
Ry olombelona sakaiza aman-kavana malala,
Ao tokoa ilay Andrianamitra tsy manantsahala.
Ka na olana miseho eny vetsopifalina,
Andrandrao lanitr'io zay mitondra fitahiana.
Vivaldi....
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana
