Ambin'ny lasa, manandratra ny nofiny ho avy (Zaida)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Siokam-boronkely toa mitaraina no nanaitra ahy maraina
Novahaiko ny varavaran-kely, izany fofona zavamanitra toa nandrakotra lanitra
No nitsena izato tontolo, toa rakotra fery
Ka nahatonga ahy isento irery.

Kay ny ao atsimo miondana amin'ny hafanana sy mangidin'ny "kafé" mitaraina
Ka na avy lavitra aza dia efa mandre
Izato hatsarany sahady amin'ity vohitra
Angamba heno hatrery an-tendrombohitra
Ka nangoniko ny heriko fa vitako ny miala
Amin'ny aloka manenika ny fo vitsy mpahalala

Napetako ny akanjo, noraisiko ny tehako, ka lasa mba andeha ankafia izato an-katon'ny natiora, niova kely ny mahazatra ka nipetraka moramora teo avara-trano, ka niserahana tampoka i Kiaky sy Neny sy ireo fitantarany angano.
Fahiny manko zany, ka lasa teo ny vinany

Vehivavy iray lehibebe, miloloha harona sy mivimbina siny
Mihezaka mamikimiky, ho aiza angah izy iny?
Tsy nahita ahy akory, fa lasa avy hatrany
Angamba mety hamonjy sahady ny akany.

Tsio-drivotra malefaka arahina entoenton-javamaniry, no manala izato hirifiry
Rahoviana hoy aho vao hisava, ilay sarisary mandrakotra ny tava,
Aoka izay ny sento sy tomany
Fa tsy ampiova inona akory amin'ity tany

Tamy avy any indray rangahy efa miondrikondrika fandeha, mitondra angady
Toa hery ho ahy ny fahitako azy afahako miady
Na dia tsapako toa mangatsika aza izany fiainana
Dia tsy kivy aho fa mbola misy mamy ihany kay azo isainana

Ho anao izay tojo zava-tsarotra
Miaina eritreritra, toloko, tahoatra
Mametraha kely dingana iray
Dia tsapanao amin'izay
Fa misy tontolo hafa hahafahanao mihotra izany
Dia tsy aiza fa any ambanivohitra any!
--------
Rohy:
82 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zaida
Nampiditra : Zaida
Daty : 25/10/2024 05:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134