Hampiditra sary Nampiditra : Anjafi
Daty : 07/09/2015 07:29
Nijery : 1461
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 1 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Aloka

Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/aloka
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany
Anjafi ( 07/09/2015 07:30)
Fantatro fa…

efa fantatro fa tsy natao ho antsika iny lalana iny
saingy izaho no adala, ninia mbola nikiry
niezaka nitraotra, niezaka naditra
mba ahatafita ilay fitiavantsika

fantatro fa efa misy maminao hafa tany
saingy modiko tsy hita na nisy aza izany
fa mbola adala hoa ny foko tena tia anao
nefa ankehitriny, aleo izy indray no handao

hangataka tso-drano, hametra-pialana
hitady izay solonao fa efa tsy tamana
mba te hiova rivotra e, hanana ny fiainany

hiova fitana koa e, hitady fiainam-bao
efa leo ny gidragidra ka tsy mila intsony anao
fa hiandry ampitoniana ilay marainany


Aloka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255