Hampiditra sary Nampiditra : Lalakely
Daty : 22/10/2005 12:21
Nijery : 1488
Tononkalo: 3 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

diamondra

namana
rehefa izy no miantso
na inona hanahirana ahy
dia lasa tsisy andraso
rava hatramin'ny ahiahy

namana, teny tsy afaka ao am-bava
namana, mampamiramiran-tava
namana, ilay mampiresaka sy miaro
namana, tsy voatakalom-bola maro

satry foana hiara-dia, tsy hisaraka na oviana
maraina, atoandro na ariva hamamiana tsy zoviana
tena feno hafaliana, ny andro iray iarahana
sanatria izay fahoriana, satria izy tena namana.

dia satriko foana ho'aho, hametsovetso ano ry namana
tena tokiko ianao, antoka ho mpiara-dalana
koa indro ny sora-tanako, hampanarahako anao
namana, namana, no fiantsoana antsika hatr'izao.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/diamondra
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156