Hampiditra sary Nampiditra : sarobidy
Daty : 21/11/2007 07:21
Nijery : 1284
Tononkalo: 3 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Elysé-RARISON

TSY HITA ITSONY

E! Mangina ny tontolo,
Tsy hita intsony ianao
Toy ny trano bobongolo,
Haolo lava maimbo lao.

Indro maizina ny andro
Fa tsy eto intsony ianao ;
Efa dify ilay masoandro
Ka ho aiza indray izao ?

Zary oram-be mikija,
Kotro-baratra mafonja,
Injao ny hevitra mirija,
Ranomasina manonja.

Ny tandindonao no sisa
Notereko mba hiteny
Mba hikalo sy hitanisa
Ireny voadintsika ireny.

Nitady anao hatraiza,
Nanao izay farahery,
Nanontany ireo zakaiza
Saingy ianao efa very
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/elyse-rarison
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111