ENY SA TSIA (Elysé-RARISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY SA TSIA

Anjaranao sisa misafidy,
Ry zavavy!
Izaho anefa tsy handidy
Fa miangavy.

Ny ato am- po dia voalaza
Tia anao,
Fa na hisedrako loza aza,
Tsy handao

Ianao no efa tiako hatrizay
Ho lova ;
Ny ahy rehefa izay dia izay :
Tsy hiova.

Sarobidy toy ny volamena
Ny fitiavana,
Ka fidio tsara ny fanekena
Sy fandavana .

Tsy voatery ianao hanaiky,
Sanatria!
Kanefa mba jereo akaiky.
F efa tia!

‘Zaho miandry valin-teny roa
Mampahia,
Koa mba lazao ny ao am-po
Eny sa tsia?


Elysé-RARISON
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1577 1
Mpakafy: solaar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Elysé-RARISON
Nampiditra : sarobidy
Daty : 22/11/2007 12:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134