Insérer une photo Inséré par : chrislyd2
Date : 06/01/2007 08:52
Visite : 1323
Poèmes: 1 Cliquer ici
Fans : 0 Admirer
Insérer un poème

lydia

Fitiavam-boninkazo

Tiako be ny Voninkazo, rariko indrindra ts'isy halazo

Tiako ny marigirity, na be milaza fa mizity
Mitazana azy fotsiny aho, dia tsy maintsy hoe mitsiky !

Tiako be ny verveine, tena tiako fa tsy afenina
Mandefitra eo an-jaridaina, mahalasalasa saina

Tiako be ny mavoadala, iza moa no tsy hahalala
Ny fofona avoakany eo, mahalasa ny toreo !

Tiako ny hortensia, jejojejo, sahisahy
Vao mitazana azy aho, ny olana rehetra ivaha !

Tiako be koa ny benja, voninkazo tena meva
Noho ny lokony marevaka, anaty ravina malefaka !

Tiako be ny dalia, asa ianao raha ohatra an'ahy
Raha te hitovy amin'ahy, mankafiza, manaraha !

Ny foko koa dia voninkazo, mety ho potika sy halazo
Ka arovako tanteraka, tsy hozimbain'ny mpietraketraka
Tsy ho lalaovin'ny mpandalo, sy izay rehetra fahavalo
Tokana, iray ny foko, tsy tiako izy ny hitoloko
Fa aoka ho ahy samirery, fa tsy omeko ny mpijery !

NB : Raha te hahazo ny tohin'izay karazam-boninkazo tiako izay ianao, dia manorata ka tohano ny asa soratro! Merci !
Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/lydia
Poèmes ( 1)
Lectures

Pas encore lu

Derniers commentaires

Aucun commentaire trouvé.

Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138