ENY SA TSIA ? (lydia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anontany anao aho ry tiako, lazao
Tena tia ahy marina ve kay ianao ?
Valio mihitsy re fa miandry aho
ENY sa TSIA ve ny ao am-ponao ?

Averiko ihany ilay fanontaniana
Tena tia ahy ve ianao kay, ry tiana ?
Tsy handriko ianao ilay hamaly hoe ENY
Fa raha TSIA kosa dia aza miteny

Dodona mafy aho fa te hahalala
Tena tia ahy ve kay ianao ry malala ?
ENY sa TSIA ve no ho valin'izao
Zany moa 'kia, mba valio aho ry nao !

Tena tia ahy ve ianao ry chéri ?
Ny ao am-ponao ve ENY sa TSIA ?
Raha ENY, dia tonga dia tsory avy hatrany
Fa raha TSIA, aoka ihany fa mampitomany

Inona no dikan'ilay "Je t'aime" ?
Moa ve ka tena fitiavana marina ?
Sa dia angolam-piteny ihany
Tena tsy haiko ny dikan'izany !

Miverimberina ilay "tiako ianao"
Fa hatraiza kosa ilay fitiavanao ?
Avy ao am-po ve vao lazain'ny vava
Sa tsianjery maimbo ka sendra voalaza ?

Ny fanontaniako r'ilay olon-tiako
Tsy valiny oe TSIA sanatria no iriko
Ny tena andrasako am'ilay valin-teny
Dia ianao ilay hamaly mihitsy hoe ENY

Raha ENY no valiny, haingana ianao
Dia hitombo zato heny no itiavako anao
Fa raha TSIA kosa dia aza lazaina
Fa sao dia ho safotra eo aho sombiniaina

LD 12/11/2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2070 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lydia
Nampiditra : chrislyd2
Daty : 16/06/2009 20:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138