Hampiditra sary
Nampiditra :
NofenoinaNatiora
Daty : 22/01/2026 11:50
Nijery : 8
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo Daty : 22/01/2026 11:50
Nijery : 8
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
NofenoinaNatiora
"Nofenoina Natiora Nitsimoka"na RAZAFIMPARANOMENJANAHARY Fitiavana Maxelle Véroniquà,
Teraka tamin'ny 29 octobra 1997 tao Ambohibary-Sambaina Vakinakaratra.
Ny anton'ilay solon'anarana(Nofenoina Natiora Nitsimoka)
dia satria tena tiako ny natiora, na natioran-javaboary io na natioran-javatra hafa, izany hoe ny maha izy ny zavatra iray tsy namboarina na novaina. Haingam-panahy nitsimoka avy ao anaty ny asa soratro.
Nanomboka nanoratra aho ny taona 2007 ary tononkira no tena nosoratako tamin'izany.
Ny taona 2016 aho no tena niroso tamin'ny asa soratra isan-karazany,
toy ny tononkalo, tantara foronina, tantara lalaovina amin'ny onjam-peo, angano, sombin-tantara, lahatsoratra foronina, rian-kalo ary tononkira.
Nilalao tantara an'onjam-peo ihany koa teo aloha saingy niato kely aloha izao.
Ny tara-kevitra vohiziko matetika dia momba ny natiora, fitiavana, nofy ary mozika.Anefa,manana tara-kevitra amin'ny lafin-javatra maro aho.
Ny taona 2023 no niditra ho mpiray FARIBOLANA SANDRATRA sampana BETAFO Antsirabe na "AKANGA TSARA SORATRA" .
Namoaka ny bokin-tononkalo "LIVATRA" nirahana tamin'ny FARIBOLANA SANDRATRA sampana BETAFO ny taona 2024.
Efa nanao nandray anjara tamin'ny hetsika maro notontosaina teo amin'ny tranoben'ny serasera sy kolontsaina (Antsirabe),
ampahany amin'izany hetsika izany ny fanamarihana ny faha dimy ambin'ny telompolo taonan'ny faribolana sandratra, hetsika famoaham-boky isan-karazany, ny "angolam-panahy" izay hetsika narahan'ny fihetsika(teatra poetika),hetsika ho fanamarihana ny iray volan'ny teny Malagasy sy ny maro hafa.
Ny tanjoko amin'ny asa soratra dia ny hanome aina ny literatiora Malagasy sy hizara ny kanto Malagasy hatrany Ary hampanan-danja kokoa ny ny teny Malagasy izay efa hafangaron'ny olona maro amin'ny teny vahiny ankehitriny.
Tanjoko koa ny hamoaka ny ao ampon'ny olona ny natioran-javatra izay iainana isan'andro ka hampita hafatra ao anaty asa soratra.
(...)
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA ♥️
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/nofenoinanatiora
Tononkalo ( 0)
Tsy misy tononkalo hita.
Antsantononkalo
Mbola tsisy niantsa
