Hevitra momba an'i raozigasy

Hiverina amin'i raozigasy
oracle ( 06/05/2010 11:54)
Nahavaka ahy lay tafasirintsika
tena tsinapa ilay hatsiaka
mangoly ny fonao anaty
tsisy fitia mitanika toy ny ahy

Marina fa tsy haiko ny mampiresaka
saingy ny risim-ponao mamaly
tovanan'ireo fihetsika
dia ampy hamarana ny fitiavanao ahy

tsy misy intsony antony
hamborahako aminao ilay fitia
nefa na oviana tsy hitony
ty fo raikim-pitia

Ka na dia efa hitanao mibaribary
ilay koboniko ato anaty
efa nandingana maripana tsy tanty
tsy hotoriako na hankarary

Ho fihiniko ho ahy irery
na ho toy ny inona fanetoky ny fery
oracle ( 06/05/2010 11:57)
tohiny


Ho arafitro ato am-po mangina
ny fitiavako anao ry tina
Soarilala ( 02/04/2014 19:26)
Diso hevitra angamba ianao
Raha nandinika ahy toy izao
Fa tsy nangatsiaka mihintsy
Ilay fitiavako mahitsy

Dia tsy tsapanao akory ve
Amin'ny resaka mandeha
Nefa ilay fo mitempo anaty
Efa nila hahafaty
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0573