raozigasy
vetsovetsony.
Raozigasy: tambatr’ilay Raozy vonikazom-pitiavana sy ilay Gasy manamarika ny fihaviana.
Raozy : lokon’ny fitiavana ; entina mizara ny hotrakotraky ny fo raha faly, entina mampitony ny jalim-po anaty raha malahelo, voninkazon’ny embona sy ny vetsovetso,
Gasy : lokon’ny fihaviana; entina mirehareha amin’ny kolo-tsainy manan-karena, entina iavahana amin’ny
kantony tsy hita noanoa, taratry ny raitra sy ny lafatra malagasy rehetra.
Raozigasy dia filazana ihany koa ilay raozidia miavaka sy manimba ny tontolon’ny raozy tsotra rehetra , miavaka i Raozigasy satria miezaka mampiely patrana ny kanto malagasy manerana izao tontolo izao ary manabe voho hatrany ny tenin-drazany.
Hevitra mandeha
oracle (06/05/2010 11:54:38)
Nahavaka ahy lay tafasirintsika
tena tsinapa ilay hatsiaka
mangoly ny fonao anaty
tsisy fitia mitanika toy ny ahy
Marina fa tsy haiko ny mampiresaka
saingy ny risim-ponao mamaly
tovanan'ireo fihetsika
dia ampy hamarana ny fitiavanao ahy
tsy misy intsony antony
hamborahako aminao ilay fitia
nefa na oviana tsy hitony
ty fo raikim-pitia
Ka na dia efa hitanao mibaribary
ilay koboniko ato anaty
efa nandingana maripana tsy tanty
tsy hotoriako na hankarary
Ho fihiniko ho ahy irery
na ho toy ny inona fanetoky ny fery
oracle (06/05/2010 11:57:40)
tohiny
Ho arafitro ato am-po mangina
ny fitiavako anao ry tina
Soarilala (02/04/2014 19:26:16)
Diso hevitra angamba ianao
Raha nandinika ahy toy izao
Fa tsy nangatsiaka mihintsy
Ilay fitiavako mahitsy
Dia tsy tsapanao akory ve
Amin'ny resaka mandeha
Nefa ilay fo mitempo anaty
Efa nila hahafaty
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Nampiditra : raozigasyDaty : 01/06/2004
Mpamangy : 9755
Mankafy : 3
Efa ankafizinao Esory