Hampiditra sary Nampiditra : felampaiso
Daty : 18/09/2008 11:30
Nijery : 1385
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Samoela RAZAFINDRAKOTO

Tononkalo ho fiombonana alahelo amin'ny fianakaviana sy ny firenena ary ny tontolon'ny zavakanto malagasy noho ny fodiamandrin'i Rado, ilay andrarezin'ny Haisoratra malagasy.

[b]Voninkazo miandry baiko...[/b]

An-tany efitra sy ngazana,tsisy zava-maitso mihitsy
no mamelana mitokana itsy voninkazo itsy.
Ambara hoe "adaladala", nefa tsy izany loatra
f' izy mantsy miandry baiko : ny sitrapon' Ilay Mpamboatra.

Mbola misy fofo-manitra izay ilaina apariakany
mbola misy hazavana izay andrasana aparitany
mbola misy hiram-bony izay irina hovetsoiny
izay izy vao laingosana, ka hitsahatra famony.

Samoela RAZAFINDRAKOTO
16 septambra 2008
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/samoela-razafindrakoto
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142