voninkazo miandry baiko (Samoela RAZAFINDRAKOTO)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo ho fiombonana alahelo amin'ny fianakaviana sy ny firenena ary ny tontolon'ny zavakanto malagasy noho ny fodiamandrin'i Rado, ilay andrarezin'ny Haisoratra malagasy.Voninkazo miandry baiko...
An-tany efitra sy ngazana,tsisy zava-maitso mihitsy
no mamelana mitokana itsy voninkazo itsy.
Ambara hoe "adaladala", nefa tsy izany loatra
f' izy mantsy miandry baiko : ny sitrapon' Ilay Mpamboatra.
Mbola misy fofo-manitra izay ilaina apariakany
mbola misy hazavana izay andrasana aparitany
mbola misy hiram-bony izay irina hovetsoiny
izay izy vao laingosana, ka hitsahatra famony.
Samoela RAZAFINDRAKOTO
16 septambra 2008
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana
Mpakafy:
endrika01
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Samoela RAZAFINDRAKOTONampiditra : felampaiso
Daty : 20/09/2008 12:10