Gasikara (Adel RAKOTOMALALA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasikara
Gasikara toy ny ahoana
No hasetrin'ny fotoana
Rehefa any aoriana any?
Gasikara mitomany!

Reo Malagasy amin'izany
Hanao ahoana no fiafarany?
Iza intsony no hianteherany
Amin'ny androm-pahanterany?

Raha Gasikara mahonena
Gasikara mosarena
Tsisy afaka hamikirana
Fa Malagasy ho sahirana

Fa tany ngazana ny taniny
Ny sisan'olona mba hohaniny
Ny avy any am-pita no hanjaka
Fa ny Gasy ho voadaka!

Gasikara hiloko inona
Malagasy hamidy ohatrinona?
Fakofakon'olomanga
Nodradraina ka namanga a?

Ho Malagasy mafy hatoka
Amin'ny fahantrana mafy fatotra
Sa Malagasy tafasandratra
Ho Malagasy tena sambatra?
Ankamantatra izany!!

Adel Rakotomalala,Analamahitsy Antananarivo Alarobia faha-17 Aogositra 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
368 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Adel RAKOTOMALALA
Nampiditra : Adel RAKOTOMALALA
Daty : 02/09/2022 19:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096