Hataka (Adel RAKOTOMALALA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô,raha mbola toy izao foana
Dia aringano ny olona eto,
Ka soloy olom-baovao
Aza avela hisy hiangana,
Mba ho foana hatreo ny sento
Amin'izao tontolo izao

'Reo be galona mpanambaka
Ny mpisoloky na mpangalatra
'Reo milaza fa mpanjaka
Tsy mahay maneho fa hoe fitaratra

Adabohy mba hianjera
Avelao hiosom-bovoka any
'Reo mpanondrana tsy miera
Ataovy solony ao ambany

Aza mihantra akory 'zay maha olona
F'izany aza tsy nahoany
Fa raha misy mba sahy mba mitolona
Ka mangataka anoloany,

Dia voazera,na voatifitra
Ny famonjana aoka fotsiny
Dia voatery miafy,mitapikitra
Mametra-tena tsy ho sarotiny

Andriamanitra ô,raha sitrakao
Henoy vavaka izahay
Mba vonjeo ny taninao
Fa kilan'ny afo,tena may

Ambatomena,Fianarantsoa,02 Jona 2022
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
424 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Adel RAKOTOMALALA
Nampiditra : Adel RAKOTOMALALA
Daty : 02/06/2022 04:44
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147