Izay hovadiana (AHF)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny olona rehetra akory no faka vady
Fa mialà nenina, miezaha mitady
Jereo ny bika diniho koa ny tarehy
Saingy ny toetra no ifantohy be dia be

Ry Soazara izao dia sady tavy no volony
Jereo anie fa kanto hatramin'ny molony
Saingy izy dia loza fa mahay mampirafy
Ka mbola hiditra ve dia rehefa ao miafy?

Ry Valisoa dia tena manam-pahaizana
Fa mpanara-damaody tena ikoizana
Koa miomàna amin'ny fitadiavam-bola
Fa ny miaraka aminy tsy vitan'ny angola

Ry Sariaka kosa dia tena tsy misy mahasolo
Tia manovanova sy mandoko volo
Androany ny lohany toa miloko mena
Rahampitso efa hafa no hita eny an-tsena

Dia samy manana ny maha izy azy avokoa
Na Soazara na Sariaka na koa Valisoa
Fa raha haka vady miandrasa kely indray
Ny toetra no fototra tena mamatotra ho iray

Fa io na dia tsara sy bikana indrindra
Raha ratsy toetra dia ambara ho mandringa
Satria ny fanahy no mamaritra ny olona
Ka raha tsy lavorary io dia hisy ady sy tolona

Fantaro noho izany ny loharano nipoirana
Ezaho fantarina fa aza atao ho manahirana
Fadio koa ny mihaino ny fihetseham-po
Fa ampiasao ilay saina ao anaty atidoha

AHF ❤️, ny 18_02_24
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
196 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AHF
Nampiditra : AHFe
Daty : 05/03/2024 07:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133