Ilay tokako - Aiko
Azo vakiana?
Any ianao ry aiko
Tsy ho afaka ato an-tsaiko
Nambabo ny fitiavako
Tsy foiko ianao rahavako
Ny fahoriana hafa
mbola azoko ihafiana,
fa raha ianao no lasa
Tsy lefitro ry tiana
'Reo voady izay natao,
Averiko aminao
Ho tia mandra-maty
Ianao no ato anaty
Ajanoko ny peniko,
Sao betsaka ny soratro.
Zao ihany teneniko,
Tiako ianao ry ilay tokako
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
winner (28/11/2008 16:40:39)
feno le tononkalo de feno koa ny isa nomena. Mankasitraka e
litamour (29/11/2008 13:24:43)
zany ka fitia
lehiretsy.raha mba azoko rangotina antsoratra eto ny fonjan'io tonokalo io dia feheziko amin'ny hoe : mamy.
Mombamomba
Mpanoratra : Aiko
Nampiditra : MekaDaty : 27/11/2008
Mpamangy : 2712
Mankafy : 2