You are here: home > Vetso

OLOM-BERY - Ainiasy Luciano

Azo vakiana?

(valin-kira ho an'i R.N.Judie: Ny Tanindrazako)

OLOM-BERY


Efa ory

Ny tontolo manoloana
Ka misaroro tsy hay lazaina
Ireo tsy nisy nantenaina
Fa tsy mba mety foana

Toa te hiery

Nefa ny tsiahin’ny andro mamy,
Tsy nahalalana izay hoavy
No tonga nampitamby,
Nitanisa ireo lany


Efa ho lafo mbamin’ny aina
Tsy hita intsony izay otazana
Vohitra iray sisa tanindrazana

Nanjary latsa vadik’aina,
Lanitra sisa iantsapazana
Ary ny tody no nde hotambazana





- Malagasy very, amidy hatramin’ny tanindrazana –
Ainiasy luciano

Mombamomba

Mpanoratra : Ainiasy Luciano

Nampiditra : ainiasy
Daty : 20/05/2012
Mpamangy : 909
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

VAKY TAMBERINA
TEO IHANY AHO...!