Elanelan-tany (Ako-mandrotsy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa ilay elanelan-tany no nasahintsika nilaza ilay fitia nokobonina tao am-po
Dia nanjary ilay elanelan-tany no indro nahatsapana fa ilay fitia hoe sangisangy, hay nafonja tokoa

Tsy azoko hiverenana ny lasa ka hilazako anao mivantana
Fa ilay fitia sangisangy noheveriko fialan-tsakana
Rehefa alavitra anao aho vao tsapako fa tsy mba kilalao
fa tena fitia saingy tsy tsapako raha tsy efa tsy eo ianao

Saingy tamin'ireny fotoana ireny na dia nidoboka aza ny foko
Dia natahotra izay ho jery sy izay mety ho valin-teny
Dia nokoboniko ho ahy irery ilay fitia tsy ho voaloto

Indrisy nefa nony efa alavitra vao indro ianao niteny
Fa tamin'ireny fotoana ireny dia efa nitia ahy ianao
Saingy tsy sahy tsotra zao nilaza tamiko mivantana
Dia niahotra teny foana sao hosimba ny fihavanana

Raha tamin'ireny fotoana ireny manko no mba nisy oroka malemy
Raha tamintsika nihaona ireny no nisy safosafo na dia kely
Dia mba nahita fahasambarana tanaty andro vitsivitsy
Dia mba faly koa aho satria notiavinao saingy indrisy.............tsy hotanteraka intsony

Mantsy androany ilay fitia vao notabatabaina tsy nofehezina
ka toy ny mpitsabo arinan'ny fahafatesana

Na dia misy aza anefa ny elanelan-tany
dia ny foko misisika mitady anao ihany
ny saiko manjombona mila ho sasatra
Manembona anao foana rehefa andro fialan-tsasatra

Fahatsiarovana isisa ireny
Ny aloka isisa nanaraka

Ako mandrotsy dia mandray kiana. Misaotra namaky :)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
935 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ako-mandrotsy
Nampiditra : Ako-mandrotsy
Daty : 16/01/2018 13:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098