Ny fiainany - Aleo mitraka
Azo vakiana?
Ny fiainany,fiainana miady irery
Fiainana tsy misy mpijery
Ka miandry ny tsikim-bitana hampifaly
Ilay resy anady
Nohon'ny olana mianjady
Indro izy mitanondrika satria
Mafy ny adim-piainana sy ny ankaso
Sakaiza tsy mahafoy azy ny ranomaso
Ka ny hoe resy aho
No teny vetesin'ny vavany isanandro
Maloka ny azy ny anjara masoandro
Mbola manantena anefa izy
Fa tsy hihina ny mangindy ihany
Fa any andro iray higohany ny mamy
Sokajy :
fiainana
Hevitra mandeha
nambinelise (28/12/2017 11:06:22)
Mombamomba
Mpanoratra : Aleo mitraka

Nampiditra : nambinelise
Daty : 28/12/2017
Mpamangy : 954
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IanaoIanao ilay mpiatsaravelatsihy
Avelao aho