You are here: home > Vetso

Misy koa - alfantomas

Azo vakiana?

misy trano ravarava efa ntaolo dia ntaolo
tsara fiorina aok'izany eo an-tehezan-kavoana
nilaozan'olona nifindra nefa angamba no haolo dia haolo
tsy andrenesam-peo indrisy mangina sady foana


misy fitia ravarava sy diso fanantenana koa
tsara fiorina sy famelana aok' izany tany anaty
nilaozan' ny tiany nefa angamba no zary ratram-po
mankarary lava indrisy namela takaitra tsy tanty


fa nisy koa olona nahatsiaro 'lay hafanana
fony mbola nonina tany ho any fahizay
nanavao sy nanaingo aok' izany ilay tanĂ na
ka namerina izany ho kanto dia kanto indray


fa misy kosa olona diso tiana angamba
ka nandao ny akaniny namonjy olon-kafa
tsikeraiko sy esoiko ho adala sady jamba
fa ny sasany aza miverina fa izy kosa lasa

Mombamomba

Mpanoratra : alfantomas


Nampiditra : betsileolahy
Daty : 23/02/2014
Mpamangy : 861
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Zandry malala
Zovy...
Anio
Ry fanadinoana.... nahoana?
RY FANADINOANA
Tsiaro manokana
mpanenjika