Tsiaro manokana (alfantomas)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hitodika ny lasa aho hahatsiaro indray androany
fa nisy ora iray mafaitra nampitondra ahy toloko
tsy mbola levona na maty fa manakoako aok'izany
'lay ora iray mangidy saingy manan-danja ho an' ny foko


hangina iray minitra aho, ho fahatsiarovana izany
tsiaro tena tsotra, hamohafoha indray ireo tadidy
tsiaro am-pahendrena, tsiaro am-pahanginana ihany
tsiaro tsy an-kiteniteny fa kosa tena sarobidy


fahanginana, tsiaro iray minitra vetivety
hamerina hitanisa fohy ilay efa rava
ny nahafaly indrindra ary koa ny tena nety
fa nisy tena nisy ihany koa ny tsy sahaza


eny, ny efa lasa moa, tsy hay atao ahoana
fa ny foko, adalana angamba ny azy
raha toa mbola tsy manadino anao foana
fa ny fitiavana natolony, tsy mba vazivazy


tsiaro tsy fidiny, namerina indray ny saona
dia ilay tsiaro, namoha alahelo izay efa natory
alahelo tena fantatra na hoe aza efa nalevin' ny taona
no inty mitamberina ao an-tsaiko indray ka mampahory


saingy... tsy maty fa mbola tadidy
mitamberina lava ao an-doha
'lay ora nampitondra mangidy
namela takaitra sy ratram-po


nefa hionona aho satria
na ahoana ny hamafin' ny onjan' ny tany
na inona ny vesatry ny ratram-po
na ahoana koa setran' ny tomany
mangina rehefa tapohana fiononam-po



Tsiaro an' i Henintsoa.A.T.
07 fev 2012 / 07 fev 2014
--------
Rohy:
1373 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : alfantomas
Nampiditra : betsileolahy
Daty : 07/02/2014 19:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143