You are here: home > Vetso

ILAY FITIAVANAO - A.Mcko Jasmine

Anio ny andro iray hiandrasanao azy
Hifanolorana indray ireo voady mariazy.
Ho safononoka izany ny hasambarako hoy ianao
Fa ho tanteraka avokoa ireo voady izay natao.
     Dia niandry ianao,ka nanantena tokoa .
     Fa izy irery ihany moa no antenaina hitondra soa
     Indrisy anefa tsy hay hoe ahoana,fa lasa ny fotoana .
     Ilay nantenaina ity tsy mbola tonga foana .
Tsy kivy anefa ianao, fa niezaka nanafina.
Ny fotoana vita koa moa tsy mahaleo ny sampona.
Kinanjo kelikely,inty olona iray.
Nampionona anao dia taratasy iray.
     Dia nirotsaka mahalana ny ranomasonao.
     Hakiviana,sorisory no nameno ny endrikao.
     Aiza ho aiza izy izao moa mba mahatsiaro anao?
     Hadinoy hatreo ny lasa fa ny ho avy no andrandrao.
Tsy mora hoy ianao ny manadino ny efa vita?
Ka hodina tsy tsaroana dia ho takona tsy hita!!
Eny inoako izany mety ho marina ny anao!
Nefa hoy aho!mba mandrapahoviana ny fandeferanao?

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

jass (08/01/2010 09:08:51)

aoka hono zay fa leo be lay olona tena tiko e :!!!!!!!!!!!

ikalamako (12/03/2019 21:49:22)

mba efa tapitra efa ela kosa angamba izay ilay fandeferanao o ?
Nahafinaritra ahy dia nakako bahana ny niantsa azy ;)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : A.Mcko Jasmine

Nampiditra : jass
Daty : 09/03/2006
Mpamangy : 1723
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Indray andro izay