MITIA ANAO MANGINA (AmjraPraise)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry kanto
tiako ianao kanefa
matahotra aho sao dia holavinao sahady
feno tena feno raha ny ato anatiko ato
ilay fitia miredareda
feno manana tomady

mazàna aho raha hiteny
sy amboraka aminao, izay mavesatra ato ampoko
dia toa misy fahatsapana
misy hery
izay tsy haiko, manetsika ny foko
ka toa manidy indray ny vavako efa saika anambara

toa miodina ny lelako
miahiahy ny saiko
mangovitra ny vatako
toa misy sakana ny tendako
dia hany toa tsy haiko
indray ny anokatra ny vavako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
134 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AmjraPraise
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 26/01/2024 19:03
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145