NAMANA (AmjraPraise)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMANA

Namana ny namana
fa misy tena namana.
manoatra noho ny havana
eny koa manam-pitiavana

fa ny namana tsy namana
dia tsy tokony hinamanana
fa mafy fo, manidy tanana
mamorom-pahasembanana

fantaro izay ho namanao
mpifikipikitra aminao.
akory tsy hoe izao rehetra izao
dia handeha hitakosonanao

tandremo fa izy ireny
tsy hanoka-bava mihitsy hiteny
hoe: andrendrika anao eny hoeny
no hitondrako anao hirenireny

fa ny namana tsara sy tokony ho tiana
dia izay manainky ho namanao amin'ny fahoriana.
izay hiankinana fa tsy mba misitaka
ary hifikirana fa tsy mba mitsipaka.

AmjraPraise
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
120 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AmjraPraise
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 26/01/2024 19:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2359