I NENY (Ancelio B R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Neny reniko ianao
Na manana ianao na mahantra,
I Neny ilay reny tsy mandao
Ianao ilay mba manana fo antra.

Nentinao aho tanatin’ny sivy volana;
Namoizanao ireo zava-pady.
Nizakanao ny ngidy sy ny olana,
Sy ireo teny ratsy mamoafady.

Mbola zaza aho notaizainao tsara
Mba ho hendry sy hanam-panahy.
Izao ‘zaho be sy matanjaka tsara,
Fa ianao no naha toy izao ahy.

Ianao no efa niaritra ny mafy
Hahatonga taiza ilay zanakao
Niaina ny tsy zaka mba hampitafy
Izaho maditra menaky ny ainao.

Indro isaorako dieny mialoha,
Na ny adidinao izay mbola tsy vita;
Lolohaviko an-tampon’ny loha,
Nahatonga taiza ahy mba ho tafita.

Ry Neny Reniko ianao;
Dia Reniko mandrakizay,
Tsy misy azoko asolo anao,
Na iza na iza izay.

Na dia teo aza ny ditrako fahiny,
Niaretanao tao anaty fitsikiana,
Notsindriako ireo fanomezantsiny;
Navadikao hanjary hafaliana.

Ianao ilay tiako indrindra
Ô ry Neny mahatehotia,
Ny fitiavako tsy azoko afindra;
Ny ho tia anao mandrakizay doria.

Sambatra aho manana anao,
Ô ry Neny izay tsy mahafoy,
Ilay mpizara ny aim-baovao,
Ireny teniko ‘zay ratsy hadinoy.
--------
Rohy:
2321 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ancelio B R
Nampiditra : AncelioBergesRAZAFY
Daty : 27/11/2016 07:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107