You are here: home > Vetso

Ny afo - André RAKOTONDRANAIVO

Azo vakiana?

Ny afo rankizy
Mandoro izay tsy izy
Mampiditra angano
Mandoro ny trano

Mandoro tanety
Ka tena tsy mety
Hatao kilalao
Dia avelao

Izay tia kirairay
Hanenina mafy
Ka kila sy may
Ny akanjo tinafy

Mitandrema
Ry tia setrasetra
Voakilema
Mba hampanjoretra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : André RAKOTONDRANAIVO

Nampiditra : famoha
Daty : 01/09/2016
Mpamangy : 702
Mankafy : 0