Androany (Andraina Arisetra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany

Indramiko ny androany
Hanopiako taza-maso
ny hevitrao manjombona
Ny saina mananontany
Tsy miaton-kiandraso
mikotaba tsy mitombina
mamisa toy ny moana ...
Raha nozairiko ny vava
Mba hametra ny ao akia
dia tsy takon' ao anaty...
Ka na izaho tsy hilaza
Fa ny foko tena tia
tsy miova mandramaty
Tsy ho levon'ny fotoana...

Saingy indramiko ny androany hamantaranao indrindra
ny firindran'ny fitiavako
Intsony aza manontany...
Tokana io ka tsy hifindra
Ilay nomeko ho anao rahavako
tsy toky izao fa voady...
Dia ny adin-tsaiko mba sitrano
Hampitony ny ao am-po
valabala-kahiahy...
Ka ny androaniko indramo
Dia ho fantatro eo tokoa
fa raha ho silako fanahy
dia...Ianao no halaiko vady...

Andraina Arisetra
--------
Rohy:
142 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andraina Arisetra
Nampiditra : leaza
Daty : 06/07/2024 18:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132