SARINAO... (Andraina Arisetra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny sarinao iondanako
Iny no mba namako
rehefa toy izao, embona any lavitra any...
Miarahaba indray ny saiko ny tsiaro izay nitany
ka momolaka vinany misamboara anatiko ao
Mby ho tody any aminao...
Dia... nofihiniko mangina
ato an'alim-pitoniana
ny sarinao niriko, ho vatana eo imaso
Indrisy!!! Fiainam-peno ankaso...!!

Lala!!!! tsy sarisary ny ao
fa kitsiarotsiaro anao
no lasa za-panao, mirindrina ato anatiko
Mirongatra mandrangotra ka tonga toa tsy tantiko...
Any ianao ilay tena izy, izay notiaviko, nekena...
Fa... ny sarinao ho fihiniko dia ampy hisolon-tena,
manakaiky indray ny foko
Tiko ianao ka toa tsy foiko

Andraina Arisetra
(Kayrah)
02/08/23
--------
Rohy:
152 1
Mpakafy: leaza
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andraina Arisetra
Nampiditra : leaza
Daty : 18/07/2024 18:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0956