Ny any aminay - Andriampanarivo J. D.
Nantsain'i
ikalamako
ikalamako
Injany lamako sy hiran-kilonga
Manakoako arahin'amponga
No re any ho any,
Fa inona izany ?
Ankizy mivory. Jereo ny ataony :
Manao boribory, ka ny eo afovoany
Misikina lamba
Tsy mihambahamba.
Itehafan'ny zandry dia mihodina mora,
Manao tsipy sandry eo anivon'akora ;
Ny sorony roa
Mandihy avokoa ;
Mamindra mitsaikona toa ketraka ila,
Somary mikainkona fa jilajila,
Mihodina tampoka
Ary indro mitsatoka.
Mitehin-kiho, midola ny loha...
Mba dinidiniho, mbola tsara tokoa !
Fampitaha, laharana faha 24, 1965
Mombamomba
Mpanoratra : Andriampanarivo J. D.
Nampiditra : jantinaDaty : 09/08/2019
Mpamangy : 501
Mankafy : 1