Fitiavana roa sosona (Andriananjariana Pierre Charles)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana roa sosona.
1
Firehan'ny fo amin'Andriamanitra
Fanomezana avy any an-danitra
Ilay soa indrindra,mendrika tokoa
Tiko mihoatry ny hitan'ny maso roa
2
Fo marina no entiko mitia azy
Ialako ny fahotana sao voasazy
Fahasoavana hatrany hatrany
No takalon'izany hatreto an-tany
3
Izy no tsy afaka ao an-tsaina
Tsaroako matetika isa-maraina
Te-ho tompon'ny foko samirery
Anankinako ny Fanahiko tsy ho very
4
Ny fitiava-namana toy ny tena
Na mahafaly,na mahasorena
Aoka hiaiky ao ampo fa mpanompo
Ka manao 'zay mahafaly ny Tompo.
5
Fitiavana tsy manavak'olona
Na firazanana,fiaviana voatonona
Nefa misy voalohany sy farany
Satria mbola misy ny filaharany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
90 0
Hevitra mandeha
033039165 ( 14/03/2024 12:08)
Misy didy tena tsara ao,dinam-pitiavana,'zay tian'Andriamanitra hosokirina ao am-pontsika ao.Ampanjakao isan-toka-trano io lalàna fototra avy amin'Andriamanitra io.Ny didy folo izay misampana roa.
033039165 ( 14/03/2024 12:13)
Misy didy tena tsara ao,dinam-pitiavana,'zay tian'Andriamanitra hosokirina ao am-pontsika ao.Ampanjakao isan-toka-trano io lalàna fototra avy amin'Andriamanitra io.Ny didy folo izay misampana roa:
1-Ny firehan'ny fo amin'Andriamanitra.
2-Ny firehan'ny fo amin'ny namana.
033039165 ( 14/03/2024 12:28)
Sokajy marsa 2024
hery ( 14/03/2024 18:31)
Hitanao ilay sokajy nofidinao hoe Fitiavana io. Eo ambanin'ireo safidy ireo misy hoe Sokajy hafa dia soraty eo ny Marsa 2024 fa tsy eto amin'ny hevitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriananjariana Pierre Charles
Nampiditra : 033039165
Daty : 14/03/2024 11:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133