You are here: home > Vetso

26 jona - ANDRIANDALAOARIVONY

Azo vakiana?

26 JONA

Dia injay tokoa ny tafondro midona
Mariky ny 26Jona
Dia samy mamonjy mivoaka
miara-mihoraka ireto vahoaka

Fety iray manan-tantara
fetin’ilay Gasikara
Ny olon-drehetra dia faly avokoa
Fety izany, tena fety tokoa !

Tsaroako ny fahazazako
Nihazakazaka hijery ny matso
Nihanika ny vato masina
Tsy aiza fa ao Mahamasina

Izay rehetra mpanao servisy
Tafika, zandary, pôlisy
Manao matso mandalo eo aloha
Hiarahaba ireto filoha

Tongotra miara-mamindra
Fihetsika miara-mirindra
Hatramin’ny soavaly, tanky, fiara
Miara mandroso tsy misy hoe : tara

Ireo fiara manidina aloha
Dia tena misidina ambany tokoa
Nisy iray toa nirerarera
Hay iny no Elikoptera

Tsy hadinoko  koa tamin’izany
Fizarana ireo vatomamy
Mihorakoraka hamonjy "podium"
Sy mifandrombaka ireto balômina

N’aiza n’aiza faritra aleha
Raha mbola eto Madagasikara
Dia mankalaza ilay fetibe
Ho tsarovan’ny dimby sy fara

ANDRIANDALAOARIVONY J


Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

tia2005 (02/08/2005 15:00:07)

anisan'ny maha gasy ny fetin'ny 26 juin ka!

Mombamomba

Mpanoratra : ANDRIANDALAOARIVONY

Nampiditra : era
Daty : 31/07/2005
Mpamangy : 1213
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

AZA AVELA