AZA AVELA (ANDRIANDALAOARIVONY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AVELA

Aza avelanao ho ngazana
Ny tanindrazana
Nahoana no andosirana
Ny fototra nipoirana ?

Aza avelanao ho maina
ireo tany karankaina
Tanindrazana iombonana
Andao hifanankonana !

Aza avelanao hangaina
Ireo ‘zay mitaraina
fa tsy fidin’izy ireny
raha toa mirenireny.

Aza zatra manankiana
mampitahotra ny hafa,
manome hakiviana
ireo ‘zay vonona hamafa,
Hamafa ny tsy nety
hanatsara ny efa vita
hampijoro vetivety
izany tanindrazantsika.

Asa-tànana, asa-saina,
Fahaizana, ento hampitaina
Asa-soa , asa-tany
“adidy” ‘zany rehetr’izany !

Anjaranao tafita
no manampy sy mamita
F’aza ihodivirana
Ireo mahantra sy sahirana

ANDRIANDALAOARIVONY J
30/04/2006
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1403 1
Hevitra mandeha
era ( 12/07/2022 21:23)
Misaotra an'i Ikalamako niantsa, mahafinaritra sy manentana. Mankahery ny mpanabe rehetra. Mila antsika i Madagasikarantsika
hery ( 14/07/2022 08:19)
Ary tononkalo efa nampidirina tamin'ny 12 taona lasa
Mahita mihitsy ikalamako
era ( 14/07/2022 11:08)
Tena mahita mihitsy izy. Tena hoe nofohaziny ilay tononkalo hamoha antsika rehetra manoloana ny adidy.
Mety e !
ikalamako ( 15/07/2022 19:33)
am-pitiavana re a. Mandrosoa hasina hatrany.
Sefo : hihihi, ny vita tato ho ato efa tany @ fahagola tany daholo fa tsy tandrin'i sefo an.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANDALAOARIVONY
Nampiditra : era
Daty : 22/05/2006 19:35
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099