You are here: home > Vetso

aiza toa very? - ANDRIANIAINA Fidelis

Azo vakiana?

aiza toa very?

nankaiza fa tsy hitako
sa ve efa tankina
lay loharano velona
tinazako namiratra
tarafin'ny masoandro
teo imasonao
nisarika ny masoko
efa matin'hetaheta
fony isika roa
vao nifankatia

angamba hoy aho adino
raha tsy efa lefy
irony tsiky kely
tsy nety vaky hehy
natosiky ny fo
efa feno bitaka
nambabo ny fanahiko
nivezivezy teny
nony injay isika
niaraka nitempo

tsy tsaroana intsony
fa gina sady moana
reo teny kely mamy
toa ila tsy ho re
nipololotra ho azy
tanaty mistery
nefa nahasarika
ny sofiko ho liana
nihaino ilay doria
tao anaty dina

renaldi
29/03/11

Sokajy : embona, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ANDRIANIAINA Fidelis


Nampiditra : renaldi
Daty : 05/07/2011
Mpamangy : 923
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

manantena inona?
mainty
fid é lis
soratro